<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I. Conkey</author>
<hymn_number>102</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Reharehako ny hazo
 Nijalian'i Kristy ;
 Manda fiarovana avo
 Ialofako atý.

[V2]
 Azon-doza maro aho
 Tery koa ny làlana ;
 Tsy ilaozan'i Jesosy
 Mpanome fiadanana.

[V3]
 Raha lany re ny andro
 Mampiadana indray,
 Tsy hadinoko ny hazo
 Nentin'ny Mpamonjinay.

[V4]
 Ny anjara atý an-tany
 Tsy mba mahavesatra
 Noho ny hazo fijalianao
 Hazo mahasambatra.
 Amen !</lyrics>
<title>Reharehako ny hazo FFPM102</title>
</song>